Andry Rajoelina : Telo taona katroka androany ny nanaovany fihanianana nandraisany fahefana feno
- mercredi, 19 janvier 2022 15:34
- Zakaria
- Sary nindramina
19 Janoary 2019 - 19 Janoary 2022, feno telo taona katroka androany ny nanaovany fihanianana teo Mahamasina Antananarivo, ka nandraisany fahefana feno amin’ny maha filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara, voafidy azy.
Tonga nanotrona ny lanonana teo an-toerana ny filoha voafidim-bahoaka teo aloha isany Hery Rajaonarimampianina, ny Amiraly Didier Ratsiraka ary Marc Ravalomanana. Ity farany izay kandida nifaninana tamin’i Andry Rajoelina tamin’ny fihodinana faharoa ny fifidianana natao ny 2018.
Nanotrona ihany koa ny filoham-panjakanana teo aloha, Norbert Lala Ratsirahonana sy Rtoa Thérèse Zafy vadin’ny filoham-pirenena teo aloha Pr Zafy Albert.
Ary olo-manankaja Malagasy sy vahiny maro.
Nandroso Velirano 13 moa ny filoha Andry Rajoelina, nandreseny lahatra ny mpifidy, ary nambara fa hanenjehana ny fahatarana ara-pandrosoana tao anatin’ny 60 taona teto Madagasikara.
Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
https://gasypatriote.com/a-la-une/item/27566-andry-rajoelina-telo-taona-katroka-androany-ny-nanaovany-fihanianana-nandraisany-fahefana-feno.html#sigProGalleria7636845690
Laissez un commentaire
Le code HTML n'est pas autorisé.