Fitaterana : Mampidi-doza ny mpamily amin’ny zotra rejoinaly Alaotra

  • lundi, 17 janvier 2022 06:56
  • Zakaria
  • Sary : Edhie Rambika

"Miangavy ny tompon'andraikitra izahay mba handray fepetra hentitra mikasika ny zotra rejionaly aty aminay."

Mampita hafatra ny mponina aty Alaotra noho ny afitsoky ny mpitatitra amin’ny zotra rejionalin’Ampitandrefana Ambatondrazaka-Ampitambe.

Mampidi-doza ny fihetsika asehon’ny ankamaroan’ny mpamily, indrindra ireo vao misondrotra (mbola tanora).

Vehivavy roa no namoy ny ainy teo noho eo omaly alahady tolak‘andro tany Andilampotsy, mialoha kelin’ny hidirana an’Ambatondrazaka.

Rotika tsy misy ahafantarana azy ny endrik’izy ireo, ary tapatapaka ny taolana.
Niampy lehilahy iray ny namoy ny ainy rehefa tonga tany amin’ny hopitaly, raha miisa 27 ireo naratra, ka tsy maintsy notanana hotsaboina ny 11.

Potika sy niparitaka teny amin’ny tany ny entam-barotra niaraka tamin’ny mpandeha.
Fandehanana mafy loatra vokatry ny fifanenjehan’ny samy fiara mpitatitra no nahatonga ny loza.

Fiara Sprinter miasa amin’ny kaoperativa Kofiam mampitohy ny zotra Ambatondrazaka-Tanambe ity namoa-doza ity.

Efa mahazatra ny mpamily amin’izany zotra izany ny mampiseho fihetsika mampidi-doza ny mpandeha, araka ny fantatra.

"Samy manana telefona izy ireo. Misy mampandre ry zareo fa efa ao akaiky ao Ranona na Ranona, ary dia mirifatra miaraka amin’izay avy eo manao izay tsy hisongonan’ny ao aoriana".
"Tsy manaiky ihany koa ny avy ao aoriana fa manao izay hisongonana ny eo aloha".

"Indraindray dia milahatra eo amin’ny arabe mihitsy aloha izay vao samy miezaka mifampisongona".
"Toy ny vao mainka maniraka azy ireo handeha mafy ny fitenenana azy mba handeha mora".
Miampy ny hoe : "Tsy ianao irery akory no ho tapitr'andro".
Mifanala amin’izay rehefa tonga any amin’ny stationnement :

"Nataoko lasitika mihitsy ialahy teo".
Izany hoe toy ny fanenjanana lasitika ny fielanelan'ny fiara, izay mitory fa toy ny mihemotra ny ao aoriana raha miritarita mafy kosa ny eo aloha.

Ny sasany dia manenjika fiara 4x4 no atao rehefa sendra misy eo alohany.

Izany no santionan’ny hetraketraky ny mpitatitra amin’ity zotra rejionaly aty Alaotra ity ka mahatonga ny loza mahatsiravina toy ny nitranga omaly.

Balita Raharisoa

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.