Volamena 49kg : Tafaverina eto Madagasikara ireo Malagasy tratra tany Comores

  • jeudi, 13 janvier 2022 19:27
  • Tigre
  • Sary nindramina

Tonga tany Comores, ny 11 janoary 2022, ny delegasionina malagasy notarihan'i Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, IMBIKI Herilaza, hifampiraharaha amin'ny Fitondrana Kaomorianina, mahakasika ny amerenana ilay volamena 49kg, avy aty Madagasikara, tratra tany an-toerana.

Tao anatin'izay fifampiraharaha izay koa ny anolorana ny fanjakana malagasy ireo Malagasy roa lahy, anisan'ny nitondra ny entana.

Nanaiky ny anolotra sy amerina ireo Malagasy roa lahy, Pierre Stenny sy Azaly Failaza Pacheco, eo ampelatanan'ny fitsarana malagasy amin'ny alalan'ny minisitry ny fitsarana IMBIKI Herilaza, misolo tena ny fitondrana malagasy, ny fitondrana kaomorianina, araka ny didy famerenana nosoniavin'ny minisitry ny fitsarana kaomorianina, DJAE AHMADA CHANFI.

Ny talata 28 desambra 2021 moa no tratra tao amin'ny seranam-piaramanidina, Moroni Prince Said Ibrahim, ity volamena milanja 49kg ity, ka olona telo no tratra nitondra azy, ary mizaka ny zom-pirenena malagasy ny roa tamin'izy ireo.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.