Amboikarivo Toamasina II : Voatoto ny vodibasin'ny FIP, mpiandry ny Filatex i Manahiragna

  • lundi, 03 janvier 2022 18:02
  • Tigre
  • Sary nomena

Mponina ao amin'ny Kaominina Amboikarivo, no sady mpiambina ireo fiarabe, an'ny Orinasa Premium, mpaka ranon-tany anotofana ranomasina, anitarana ny seranan-tsambon'i Toamasina, i Manahiragna.

Nisy Polisy FIP mpiambina fefin'ny FILATEX, izay milaza ho tompon'ny tany, izay iadivana amin'ireo fokonolona nanajary ny tany hatramin'ny 1929 nialan' colon, izay naka ny tanindrazandreo, nisambotra azy tao, ary dia nidaroka azy tamin'ny vodibasy, tamin'ny lohany sy ny vatany (pour torture).

Satria noravain'ny fokonolona ny ampahan'ny fefin'ny FILATEX ka nolakoina ity mpiambina ity, hanerena azy hiteny sy hitonona ny olona nandrava ilay fefy.

Efa aty amin'ny hopitaly manarapenitra Toamasina i Manahiragna tsaboina.

Efa nametraka fitoriana an'ity polisy ity moa izy ireo.

Romotra amin'izao toe-draharaha izao ny fokonolona ao Amboikarivo ka ahiana ny hanao valifaty raha ny akom-baovao.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.