Angidimby nianjera an-dranomasina : Velona ny SEG

  • mardi, 21 décembre 2021 10:46
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Angidimby iray an’ny Tafika Malagasy no nianjera ka tsy hita tao anaty ranomasina, manakaiky ny fokontany Ambatomalama, Kaominina Mahambo, Distrikan’i Fenoarivo Atsinanana omaly tamin'ny 7 ora hariva, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny ministeran’ny fiarovam-pirenena.

Teo ampanatanterahana ny vonjy voina tao Soanierana Ivongo, mba hanavotana ny mpiray tanindrazana no nitranga ny loza.

Anisan'ny mpandeha tao anatin'io angidimby io ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena, ny jeneraly Serge Gellé, raha avy niara-dia tamin’ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta sy ny mpikambana tao anaty governemanta hafa, namonjy ny voina nitranga tany Soanierana Ivongo.

Ny Kolonely Rakotomiliarison Hery, izay manana trai-kefa manokana amin’ny famonjena voina, ary efa nisongadina tamin’ny famonjena ny mpiray tanindrazana tamin’ny fiakaran’ny rano be tany Mahajamba no nanamory ilay angidimby niharan-doza.

Na dia teo aza ny toetr’andro izay ratsy dia ratsy dia tsy nihemotra izy ireo fa nanao izay fara heriny mba hamonjena ireo nataingina ilay sambo rendrika.

Tsy mbola fantatra mazava ny anton'ny fianjerana hatreto.
Ny angidimby iray, niaraka taminy, izay nitondra ny Praiminisitra sy ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena kosa dia tsy misy ahiana ny momba azy.

Mitohy ny fikarohana ireo niharam-boina tamin’ny angidim-by sy ireo rendrika tan-dranomasina any akaikin’i Soanierana Ivongo. Mitarika izany any an-toerana ny minisitry ny fiarovam-pirenena ny jeneraly Rakotonirina Richard.

Any an-toerana ny sambon’ny Jenia miaramila, ireo mpamonjy Voina avy amin’ny Holafy fahaefatra ny Corps de Protection Civile ary ny « remorqueur » ny seranan-tsambon’i Toamasina.

Mpanjono mianaka no nahita ny SEG, vao maraina, teny ambony rano, nanao gilet de sauvetage. Kely anefa ny lakana, ka voatery najanona teo aloha ny Jeneraly Serge Gellé, ka lasa naka lakana vavety ity mpanjono, Ramaroson Zembronne dit Zambio, ary niverina naka azy, izay efa nentin'ny rano alavidavitra ny toerana nisy azy.

Avotra soa aman-tsara ny sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarmaria, fa ireo namany hafa no mbola tadiavina.
Manana gilet de sauvetage ihany koa ireo hoy ny jeneraly, fa ny rano moa mangatsiaka ihany.

Efa hita ihany koa ilay mpikirakira ara-teknika ary velona soa aman-tsara ilay manamboninahitra lefitra ANDRIANARISON Laitsara Jimmy izay "mecanicien" an'ny fiaramanidina tao anatin'ilay angidimby izay niharan-doza omaly. Efa entina hihazo ny tanety mandeha lakana.
Ireo roalahy hafa kosa mbola tadiavina.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.