Tetikasa « Transport par câble » : Nankatoavin’ny depiote ny findramam-bola 151 tapitrisa Euros hanatanterahana azy

  • jeudi, 16 décembre 2021 20:37
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Nankatoavin’ireo Solombavambahoaka androany 16 desambra 2021 teny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza ny volavolan-dalana laharana faha-023/2021 sy laharana faha-024 tamin’ny 15 Desambra 2021 momba ny findramam-bola entina mamatsy ny tetikasa « Transport par câble » na Teleferika eto Antananarivo.

24 volana no fe-potoana hanatanterahana ny tetikasa, ka ny orinasa COLAS sy POMA no hanao azy , mitentina 151 tapitrisa Euros ny teti-bidin’ny tetikasa, ka famatsiam-bola telo no anaovana azy, avy amin’ny Société Générale, NATIXIS ary ny Fanjakana Malagasy.

14 taona ny fe-potoana hamerenam-bola.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.