Fitaterana an-dalamby : Efa antitra ary mampidi-doza ny zotra TCE

  • lundi, 13 décembre 2021 10:36
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Nitrangana lozam-pifamoivoizana teny amin’ny zotran-dalamby Tananarive-Côte Est (TCE) ny atoandron’ny Alahady 12 desambra 2021.

Ny DIATSARA izay fiaran-dalamby mpitatitra entana sy olona mampitohy an'i Moramanga sy Ambila no tra-doza teo Sahantsiva PK 198+200, 5km niala an'Andekaleka.

Niala ny lalamby ny Wagon roa nitondra entana, ka nivarina any amin'ny hantsana. Nisy ny naratra saingy tsy nisy aina nafoy. Efa nentina notsaboina any Moramanga ireo maratra.

2018, roa taona lasa dia nitrangana loza ihany koa tamin’io ampahan-dalana io. Zotra izay hany ahafahan’ny olona amin’iny toerana iny mamoaka ny vokatra sy ifaneraserana ihany koa.

Teo anelanelan’ny taona 1904 sy 1909, faha mpanjanatany no nanamboarana ny zotran-dalamby TCE. Efa tena antitra ny fotodrafitrasa. Ny orinasa Madarail no mitantana azy nanomboka ny taona 2002 hatramin’izao.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.