Toliara : Naparitaka tamin'ny lakrimôzena ireo saika hiara-hankalaza aniversera tamin'i Marc Ravalomanana

  • dimanche, 12 décembre 2021 19:41
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Feno 72 taona androany 12 desambra 2021 Atoa Marc Ravalomanana, filoha nasionalin'ny antoko Tiako i Madagasikara, sady filoham-pirenena teo aloha.

"Nosafidiko manokana natao teto Toliara izany fankalazana ny tsingerintaonan'ny andro nahaterahako izany tamin' ity taona 2021 ity", hoy izy saingy "mampalahelo ny zava-misy" fa naparitaky ny mpitandro ny filaminana tamin'ny lakrimôzena ireo saika hiara-hankalaza izany taminy tao amin'ny Magro Andaboly.

"Na izany aza dia faly aho, ary tena faly mahita ny firariantsoa maro avy aminareo", hoy Atoa Marc Ravalomanana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.