Kaominina Amboditandroroho Toamasina II : Tsy asian'ny Filatex hasiny ny Fitsarana

  • samedi, 04 décembre 2021 13:12
  • Tigre
  • Sary nindramina

Tonga vao maraina androany sabotsy 04 desambra 2021 ny Vadintany nahazo didy avy amin'ny Fitsarana ny analana ny fefy nanakanan'ny Filatex hidiran'ny mponina sy ireo miasa ao anatin'ity tany lazain'ny Filatex fa ananany taratasy maha tompony azy, hanaovana famokarana herinaratra mandeha amin'ny masoandro, veliranon'ny Filoham-pirenena, raha ny mponina mivondrona amin'ny fikambanana FIPAMA (FIKAMBANAN'NY MPAMBOLY MANAMBATSIO) no nanajary azy rehefa lasa ireo colon naka ny tanin'ny razandreo ny taona 1923.

Nitondra Polisy, araky ny baiko nomen'ny Fitsarana, ny Vadintany, nefa rehefa tonga teo an-toerana dia vao niala ny vavahady, dia nametraka hazo mitsavalana indray ireo mpiasan'ny Filatex, niaraka tamin'ny EMMO izay manampy azy, ary dia nasian'izy ireo fiara hibahana ny lalana masaka efa nampiasaina hatramin'izay.

Nanao tatitra ny Vadintany amin'izao tsy faneken'ny Filatex ny didim-pitsarana izao.

Nidina ny baiko avy any ambony fa tsy maintsy miala ao ny Polisy nentin'ny Vadintany, ary tonga nanamafy ireo namany efa lasa mpiandry ny tanin'ny Filatex ny EMMO.

Tsy nanaiky lembenana anefa ireto vahoaka fa nihamaro hatrany, ka dia nihemotra ny EMMO niala ny toerana aloha izao.

Tsy nisy ny fifandonana arak'izany fa mbola mienjana ny tady, satria tsy atokisan'ireto mponina fa nihemotra ny Filatex, ka samy mbola mifampiandry ny roa tonta.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.