Fiadanana : Levon’ny afo ireo voka-pikarohanana tsy hita pesimpesenina

  • mercredi, 24 novembre 2021 13:58
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Nirehitra ny tranobe iombonan'ny foibem-pikarohana miisa roa dia ny CNRIT (Centre National de Recherches Industrielles et Technologiques) sy ny CNRE (Centre National de Recherches sur l'Environnement) etsy Fiadanana-Antananarivo Renivohitra.

Tokony ho tamin'ny 3 ora sy sasany maraina tany ho any no niandohan’ny afo.

Araka ny tati-baovaon’ny ministeran’ny fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa dia « court-circuit » tao amina efitra iray no nitarika ny fahamaizana, ka nihitatra tamin'ny efitra hafa.

Tonga ara-potoana ny mpamonjy voina saingy sarotra ny fifehezana azy noho ny fisian'ireo entona fandrehitra isan-karazany izay ampiasaina amin'ny asa fikarohana.

Trano famakiam-boky iray, laboratoara roa, birao telo, ary trano fitehirizana dimy, ireo no nolalovan'ny afo.

Tonga teny an-toerana ny Tale Jeneralin'ny fikarohana siantifika, Tale CNRIT, Tale CNRE sy ny Brigade Criminelle ary ny Polisy Siantifika hanao ny fanadihadiana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.