Nosy Be : Mahatsiaro ho ankilabao ireo mpisehatra ara-pizahantany

  • dimanche, 21 novembre 2021 13:46
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Fanamiana miloko mainty niaraka tamin’ny sorabaventy no nanehoan’ireo mpisehatra ara-pizahantany maro, ny alahelo sy ny fahadisoam-panantenan’izy ireo amin’ny tsy fisian’ny sidina avy any ivelany ho tonga tao Nosy Be mba nantenaina hitondra mpizahatany, hatramin’ny 23 oktobra 2021 nambaran’ny fanjakana fa nisokafan’ny sisintany amin’ireo Nosy manodidina, sy ny 6 novambra nisokafan’ny sisintany amin’i Eorôpa.

Nisy olona maro mahatsiaro mangirifiry amin'ny fikatsoan’ny asa fihariana amin’ny tsy fisian’ny mpizahatany. Nosy Be rahateo dia saika mivelona sy miasa amin'io sehatra ny fizahantany ny ankamaroan’ny olona.

Tondroin’ireo mpanao fihetsiketsehana ho manavakavaka ny fitondram-panjakana satria Antananarivo ihany mahazo sidina avy ivelany, ka nahatonga azy ireo nanao izao hetsika izao mba hikatsaham-bahaolana.

Nidina teo amin’ny toerana nisian’ny fifamorian’ireo mpisehatra amin’ny fizahantany ny mpitandro ny filaminana mitambatra notarihin’ny solontenam-panjakana ao an-toerana, nanakana ny diabe nitety tanàna saika hataon’iretsy mpanao fihetsiketsehana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.