Hopitaly lehibe eto Antananarivo : Mbola tsy nahazo ny famatsiam-bola avy amin'ny fanjakana

  • mercredi, 17 novembre 2021 15:29
  • Tigre
  • Tahirin-tsary nindramina

Na ny Hopitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona HJRA, na ny Hopitaly CHU Joseph Raseta Befelatanana dia mbola tsy nisy nahazo ny famatsiam-bola na subvention avy amin'ny fanjakana ity taona ity, nefa dia efa ho tapitra ity ny taona 2021.

Azo an-tsaina amin'izany ny fahasahiranan'ireo marary mila fitsaboana, ampiasana ireo fitaovana samihafa mila kojakoja, na ny fiarovana sy ny fikarakarana manokana ilain'ireo mpitsabo.

Manoatra noho ny hopitaly tsy miankina andoavam-bola ny hopitalim-panjakana, ka dia ny marary avokoa no mibaby ny rehetra, na ny fanafody na ny fitaovana ilaina, ka lasa fiteny ny hoe "Ny aza marary ihany ka tsy manam-bola", fa tsy hita ny hoe "izay marary andrianina".

Manao izay ho vitany ireo mpitsabo, ireo mpanampy azy, ireo mpianatra ho mpitsabo sy paramed, ary ny mpiasan'ny hopitaly, fa dia reraka ihany ny farany.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.