JR Métaux : Mitohy ny fandotoana tontolo iainana sy fanandevozana mpiasa tsy misy fanarahan-dalàna momba ny asa

  • lundi, 08 novembre 2021 08:37
  • Tigre
  • Sary Gasypatriote

Samy mody mitapy daholo na ny ministeran'ny tontolo iainana, na ny ONE misahana ny fampanajana ny tontolo iainana, na ny ministeran'ny asa.

Iarahan'ny rehetra mahita ny tsy fanarahan-dalàna rehetra, loto no miparitaka etsy sy eroa amin'ity orinasa karana manodina vy ity, feno setroka, ny rano manodidina maloto avokoa, ny mponina marary tratra.

Mpiasa karana 150 eo no miasa ao, ary Malagasy izay miasa an-tselika, tsy misoratra amin'ny Cnaps na Ostie, mandray karama isan'andro ny maro fa tsy miasa maharitra.

Betsaka ny loza mitranga satria dia vy arendrika amin'ny afo mahamay no asa atao, ny fiarovana tsizarizary, izay maratra zara raha omena vola 10 000 ariary, dia roahina. Izay mitaky ny zony dia voaroaka satria asa tselika.

Raha misy ireo tompon'andraikitra mandalo, eny hatramina minisitra hoy ireo manodidina, dia mitintina mavesatra mivoaka dia samy mody mitapy avokoa.

Ny park Analamanga, izay tokony hisarika mpizahan-tany, tantanan'ny Faritra Analamanga anefa eo ampita eo. Iza no mpizahan-tany ho vokisana setroka sy tontolo maloto tahaka izao ?

Fa samy mody mitapy eo daholo.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.