Ombivavy beronono nafarana : Salama tsara avokoa, ny roa no afa-jaza

  • samedi, 30 octobre 2021 13:22
  • Zakaria

Mitohy milamina ny fanokana-monina ireo ombivavy beronono nafarana avy any Frantsa miisa 165, ka napetraka ao amin’ny FIFAMANOR Andranomanelatra Antsirabe II.

Efa mitondra vohoka avokoa izy ireo no tonga eto Madagasikara, ny roa no fantatra fa afa-jaza. Tombanana ho noho ny vohoka efa lehibe, mihoatra ny dimy volana avy, nefa nandeha fiaramanidina no nahatonga ny fahafahan-jaza tamin’izy ireo.

Amin’ny ankapobeny, salama avokoa ireo ombivavy beronono ireo, mahazaka ny toe-tany sy ny hafanana ao Antsirabe. Tsy nisy aretina na fambaran’aretina atahorana hatreto. Mitokana, tsy mifangaro amin’ireo ombivavy beronono efa fiompy ao amin’ny FIFAMANOR ireto omby vaovao ireto.

Dokotera sy injeniera miampy teknisianina avy amin’ny ministera sy ny FIFAMANOR no mifarimbona manara-maso ny fahasalamana sy misahana ny sakafon’ireto ombivavy beronono nafarana ireto.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.