Toerana manan-tantara : Rova roa no saika ravan’ny afo tao anatin’ny 24 ora

  • mercredi, 20 octobre 2021 19:59
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Mandravarava ny afo. Rehefa tsy doro tanety dia haintrano. Afo mitoman-davana, setroka matevina sy tanety mainty no hita amin’ny toerana maro manerana ny Nosy. Tanàna maro no potiky ny afo, olona aman’arivony no traboina, nisy mihitsy aza no namoy ny ainy.

Raha teto amin’ny manodidina an’Antananarivo fotsiny dia vohitra masina roa no nahitana firehetana tao anatin’ny 24 ora. Omaly teny Ambohidratrimo, androany teny Ilafy. Voafehy ara-potoana ny afo, rehefa niara-nisalahy ny rehetra, ka nieren-doza ny Rova tamin’ireo toerana ireo.

Ny faran’ny herinandro lasa teo, dia nahitana tranga firehetana ihany koa ny ala manodidina an’ny Analamanga Park, iray andro nialoha ny nitokanana ity toeram-pitsangatsanganana sy fialamboly vao nasiam-panavaozana ity.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.