Fitsarana : Hiakatra fampanoavana androany ny Profesora Auberlin sy Dr Jean Marie

  • lundi, 11 octobre 2021 07:33
  • Tigre
  • Tahirin-tsary nindramina

Rehefa nalefa nody raha notanana nandritra ny 48ora, ny asabotsy 09 oktobra 2021 ny Profesora Auberlin Rakototiana sy ny Dokotera Rakotosamimanana Jean Marie, Directeur Adjoint Technique na DAT, izay ampangaina ho niray tsikombakomba tamin'ny fampandosirana ny gadra marary Eddy Maminirina, dia anio alatsinainy 11 oktobra no atolotra eo anivon'ny fampanoavana etsy Anosy izy mirahalahy ireto.

Fantatra fa hiakatra eny anivon'ny Fampanoavana ihany koa i Eddy Maminirina, izay notanana hatrany tao amin'ny Renseignement 1er étage Anosy. Marary ny lehilahy, ary sempotra satria tsy manana oxygène izay takian'ny vatany.
Naka rivotra teo amin'ny parking anatin'ny faritry ny hopitaly moa no nahitana azy, ka iampangana azy ho nikasa saika andositra.

Ireo Mpiandry fonja, niambina an'i Eddy tao amin'ny hopitaly, izay notanana tetsy Anosy ihany koa, dia atolotra ny Fampanoavana anio raha tsy misy ny fiovana.

Ireo Mpianatra mpitsabo sy mpianatra mpandidy rehetra moa dia manao fitokonana tsy andray marary, ankoatran'ireo marary tena tsy maintsy raisina mihatra aman'aina.

Ny Sendikan'ireo mpampianatra mpitsabo ihany koa dia nanao fanambaràna ny hitakiana ny amoahana ireto mpitsabo ireto.

Misy fepetra manokana rahateo ny fomba fitoriana mpitsabo iray, ary tsy asan'ny mpitsabo ny miambina Gadra, fa ny fitsaboana ihany no andraikiny. Rahateo nisy taratasy, nalefan'ny servisy nitsabo an'i Eddy Maminirina, manontany ny atao momba ity marary ity, fa ny sampandraharaham-panjakana tokony nandray andraikitra momba izany no tsy namaly sy tsy nandray ny andraikiny.

(Tahirin-tsary nindramina, fianakaviam-ben'ny mpitsabo mpandidy, Profesora Auberlin anaty faribolana mena)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.