Anosy Surveillance du territoire : Navoaka ny Profesora Auberlin sy ny Dr Jean Marie

  • samedi, 09 octobre 2021 22:50
  • Tigre
  • Sary nindramina

Navoaka io hariva io Profesora Auberlin Rakototiana sy ny Dokotera Rakotosamimanana Jean Marie, Directeur Adjoint Technique na DAT, izay ampangaina ho niray tsikombakomba tamin'ny fampandosirana ny gadra marary Eddy Maminirina.

Notanana teny Anosy nanomboka ny zoma 08 oktobra 2021, ary navoaka 48ora taty aoriana.

Fantatra fa amin'ny alatsinainy 11 Oktobra 2021 no ampakarana azy ireo eny anivon'ny fitsarana (deferrement).

Raha ny angom-baovao, dia mbola tanana eny Anosy i Eddy Maminirina, izay marary mafy, sy sempotra, nefa tsy misy Oxygène. Voahidy eny Anosy ihany koa ireo mpiambina fonja niandry azy teny amin'ny hopitaly HJRA.

Ireo mpianatra mpitsabo rehetra moa dia naneho ny fitakian'izy ireo amin'ny alalan'ny fanajanonana ny fandraisana marary ankoatr'ireo tena ahiana ny ainy.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.