Anosy Surveillance du territoire : Matory amin'ny Canapé i Profesora Auberlin

  • samedi, 09 octobre 2021 11:32
  • Tigre

Raha efa vita tamin'ny alakamisy 07 oktobra 2021 ny fanadiadiana natao tamin'i Profesora Auberlin Rakototiana sy ny Dokotera Rakotosamimanana Jean Marie, Directeur Adjoint Technique na DAT, izay ampangaina ho niray tsikombakomba tamin'ny fampandosirana ny gadra marary Eddy Maminirina, izay nisy fitsirihina tampoka nataon'ny Polisy, ka nahitana ny marary teny amin'ny parking, faritra anatin'ny hopitaly, dia mbola tsy re mihitsy hatreto ny fotoana anaterana azy ireo eny anivon'ny fitsarana.

Fantatra ihany koa fa marary mafy, nefa voatana etsy Anosy ao amin'ny Renseignement 1er étage i Eddy Maminirina. Raha ny angom-baovao dia tokony tsy hiala Oxygène i Eddy, nefa tsy omen'ny Polisy alalana hiverina ny Hopitaly, no tsy afaka manao ny Oxygène izay mitazona ny fofon'ainy.

Mivory ankehitriny ireo mpampianatra amin'ny sampana fitsaboana eny amin'ny anjerimanontolo manoloana izao antsonjay atao amin'ny mpitsabo izao.

Ny Profesora Auberlin Rakototiana moa dia mpikambana ao amin'ny Académie de Medecine, no manana ny laharam-boninahitra Commandeur, izay laharana tsy azo samborina sy tazonina vonjimaika mandritra ny fanadiadiana izay mety hisy.

Tsy ireo dokotera ireo no nitady sy nampiditra io marary io, fa ny fanjakana no nandidy ny mpitsabo amin'ny alalan'ny requisition ny hitsaboana ity olona voafonja ity, ary mitsabo no asan'izy ireo fa tsy mpiandry fonja. Misy rahateo mpiandry fonja 4 no miandraikitra ny fiambenana ity marary ity.

Tamin'ny fotoana nampirongatra ny Covid-19 no nampidirana hopitaly an'i Eddy Maminirina, ka tao amin'ny servisin'ny profesora Auberlin no nisy fantsona mitondra oxygène, ary lavitry ny sampana mandray ny Covid izay natahorana amindra amin'ny marary.

Ny volana Septembre dia efa nandefa taratasy ny toeram-pitsaboana nanontany ny tokony atao momba ity marary ity, fa tsy nisy tohiny izany fangatahana izany, nefa anjaran'ny fanjakana no manao taratasy famerenana azy any am-ponja raha toa ka hitany ny ilana izany.

Ny mpitsabo dia manome ny fitsaboana, manome ordonnance, na maniraka manao analyse, fa anjaran'ny marary no manatanteraka izay, sy mijery ny toerana anaovana izay, ary ny mpiandry ny fonja no manaraka azy amin'izay dingana fitsaboana ilainy rehetra izay.

Mitovy daholo ny fomba andraisan'ny mpitsabo ny marary rehetra, tsy anjarany ny miandry ny Gadra, fa ny mitsabo no adidiny.

Ny fanjakana no manapa-kevitra ny hanohizana na tsia ny fitazonana any amin'ny hopitaly olona voafonja rehefa manome ny expertise ny mpitsabo.

(Tahirin-tsary Eddy Maminirina)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.