Lozam-pifamoivoizana : 12 no namoy ny ainy, 14 naratra tao Anteza Ambohimahasoa

  • lundi, 27 septembre 2021 07:50
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Nitrangana lozam-pifamoivoizana izay namoizana ain'olona teo amin'ny Pk305+400 RN7, tao amin'ny toerana atao hoe Anteza, Kaominina Fiadanana, Distrika Ambohimahasoa Faritra Matsiatra Ambony, ny sabotsy 25 septambra 2021 tamin'ny 08 ora sy 45 min alina.

Fiara taxi-brousse Sprinter avy Fianarantsoa sy fiara semi-remorque avy aty avaratra no nifandona.
Nivarina anaty hantsana amin'ny ilany havana raha avy any Fianarantsoa, sahabo 30 metatra eo ho eo, ary potika tanteraka io fiara io.

Ilay kamaio semi-remorque Renault prémium kosa, izay nisy olona roa sy simenitra ary vy, dia latsaka tamin'ny hantsana havia, sahabo ho 10 metatra.

11 no maty teo no ho eo, ary anisan'izany ilay mpamily izay tapaka nisaraka tamin'ny vatany ny lohany, 13 kosa naratra ary nentina eny amin'ny CHU Tambohobe Fianarantsoa, saingy nisy zaza iray tamin'ireo naratra no tsy tana ny ainy. 12 no mbola tsaboina ao amin'ny hopitaly, ka ny 2 no tena voa mafy.

Misy 02 kosa tsaboina ao amin'ny CSB II Camp Robin.
Marihina fa ny roa amin'ireo naratra dia mpamily sy olona iray tao amin'ilay kamiao.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.