Fakana an-keriny : Tao anaty lava-bato ilay zaza varira no hita, 9 andro nikarohana azy

  • lundi, 20 septembre 2021 14:01
  • Zakaria
  • Sary nomena

Nisy naka an-keriny tao Befamoty, Kaominina Tanambao Ambony, Distrikan'i Betioky Atsimo ny tovolahy kely, zaza varira na bobo.

Vao nahazo fanairana dia roso avy hatrany tamin’ny fanarahan-dia hanavotana ity zaza varira ity ny Miaramila avy ao amin'ny Holafy 506 ao Bezaha sy ny Dinabe Betioky Atsimo.

Tratra tao amin'ny lava-bato ao amin'ny Kaominin'i Beraketa Distrikan'i Sakaraha ilay zazalahy kely, sivy andro taorian’ny tsy nahitana azy.

Nisy fifandonana sy fifamaliana tifitra tamin'ireo olon-dratsy, ary avotra soa amantsara ilay zaza varira.

Noraisin’ny mponina toy ny mahery fo, ilay zazalahy kely sy ireo Miaramila ary ny Dinabe nanavotra azy, tamin’ny fiverenan’izy ireo tao Bezaha.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.