Seranam-piaramanidina ao Mananara Avaratra : Sady niova anarana no niova mpitantana

  • jeudi, 16 septembre 2021 09:21
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Miova sata miova andriana ! Sady niova anarana no niova mpitantana ny seranam-piaramanidina ao Mananara Avaratra. Ny orinasa Malagasy Spices indray no hitantana ny seranam-piaramanidina, ary hiova ho "Spices Land Aérodrome" ny anarany.

Notanterahina ny 14 septambra 2021 ny famindram-pitantanana, ka nanoloran’i Andrianiaina Jean Germain, Tale Jeneralin’ny orinasa ADEMA S.A. ampahibemaso, sy natrehan’ireo manam-boninahitra tany an-toerana, ny taratasy fanamarihana fanomezan-dalam-pitantanana sy ny fanalahidin’ny seranam-piaramanidina, an’i Kalfane Amine Mohamed, Filohan’ny Filankevi-pitantanan’ny orinasa Malagasy Spices.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.