Fanjifana : Ho raisin'ny Vondrona HABIBO ny Tranombarotra Shoprite rehetra manerana ny Nosy

  • mercredi, 15 septembre 2021 10:46
  • Tigre
  • Sary Gasypatriote

Nifanaraka ny Vondrona Shoprite atsy Afrika Atsimo fa dia ho raisin'ny Vondrona HABIBO ny tranombarotra Shoprite 10 eto Madagasikara amin'ny alàlan'ny fiaraha-miasa amin'ny "Système U" any Frantsa.

Tazonina avokoa ireo mpiasa rehetra miisa 850 manerana ny nosy, ary hitohy ny famarotana ireo entana rehetra amin'ireo toeram-pivarotana.
Manomboka ny fiandohan'ny taona 2022 no andray tanteraka ny fitantanana ny Vondrona HABIBO ary hiova ho Magasin U, izay kaoperativa itambaran'ireo mpivarotra tsy miankina manana toeram-pivarotana miisa 1 600 ao Frantsa.

Ny Vondrona HABIBO moa dia orinasa efa ela niasana teto Madagasikara nanomboka ny taona 1936, izay mamokatra sy mivarotra vokatra ara-tsakafo sy fidiovana, ary mpambongady entana isan-karazany.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.