Diego Maradona : Nodimandry teo amin’ny faha-60 taonany

  • mercredi, 25 novembre 2020 21:56
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Nindaosin’ny fahafatesana androany 25 novambra 2020, teo amin’ny faha-60 taonany i Diego Armando Maradona Franco, fantatry ny maro tamin’ny anarana Diego Maradona teo amin’ny tontolon’ny baolina kitra.

Fijanonan’ny fo tampoka no voalaza fa nitarika izao fahafatesany izao.

Kintan’ny kitra Arzantina izy. Nandrombaka ny amboara erantany tamin’ny 1986, ary nalaza tamin’ilay tanana majika namonoany baolina, nandritra ny fifanandrinan’i Arzantina tamin’i Angletera.

Efa nisalotra ny anaram-boninahitra baolina volamena (Ballon d’or) ihany koa i Maradona ny taona 1995.
In-589 nisalotra ny akanjon’ny ekipam-pirenena arzantina i Maradona, ary nahatafiditra baolina niisa 312 tamin’izany.

« El Pibe de Oro », « Pelusa », « D10S », « El Diez », « Dieguito » ary koa « Le Maître », anaram-bositra niantsoana an’i Maradona avokoa ireo fony teny ambony kianja.

Efa mpanazatra ihany koa i Maradona, ary efa nitantana ny ekipam-pirenen'i Arzantina.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.