Benaivo Narcisse: Voafidy ho solonten’ny Antenimieram-pirenena eo anivon’ny CENI

  • mardi, 30 juin 2020 10:12
  • Zakaria
  • Sary nomena

Tontosa androany talata 30 jona 2020 teny amin’ny CCI Ivato ny fifidianana nataon’ireo Solombavambahoaka izay ho solontenan’ny Antenimieram-pirenena eo anivon’ny CENI.

Nandritra izany no nahavoafidy an’i Benaivo Andrianaly Narcisse. Nahazo vato 60 izy raha 93 no isan’ny tonga nifidy.

Nahazo vato 20 Rajaonarison Chali Hyacinthe ; vato 9 ny an-dRasolo Nandrasana Georges Merlin ; vato 2 ny an-dRalevason Hary Tiana. Vato fotsy 1 ary vato maty 1.

Administratera Sivily i Benaivo Andrianaly Narcisse. Nitazona andraikitra ambony samihafa teo anivon’ny Ministeran’ny Ati-tany sy fitsinjaram-pahefana izy. Efa lehiben’ny Faritra SAVA ihany koa.

Hitana avy hatrany ny toeran’ny filoha lefitry ny CENI i Benaivo Andrianaly Narcisse, izay banga taorian’ny fametraham-pialan-dRakotonarivo Thierry. Anisan’ireo kandida andiany voalohany tamin’ireo nirotsaka tokony nofidiana tamin'ny 10 jona 2020, tamin'ny fifidianana voalohany, saingy nahemotra noho ny fangatahan’ny avy amin’ny vondrona parlemantera IRD sy ny tsy miankina.

Niisa 24 ireo kandida nifaninana ho amin’io toeran’ny filoha lefitry ny CENI io, nahitana Administratera sivily, Mpitsara, manamboninahitra miaramila, dia
- Randriamalala Robert Charly (Expert électoral, Gestionnaire de projets, Assistant juridique) ;
- Ralaiariliva Ndrina Mamy (Professeur licencié Principal et Administrateur Civil en Chef de Classe Exceptionnelle de 6ème échelon) ;
- Rakotonandrasana Roger (Magistrat judiciaire de 2ème Grade 2ème échelon, Enseignant à l’ENAM Androhibe) ;
- Razafimamonjy Laza Rabary (Administrateur Civil en Chef de Classe Exceptionnelle) ;
- Benaivo Andrianaly (Administrateur Civil) ;
- Raveloson Jean De Dieu (Administrateur Civil en Chef de Classe Exceptionnelle) ;
- Koera Raharijaona Alain (Officier Supérieur de l’Armée Malagasy) ;
- Rakotomahanina Franklin James (Magistrat) ;
- Andriatsivery Eugène Jean Larsène (Magistrat) ;
- Randrianavalomihaja Fidilalalao (Directeur de l’ONG ADESESEVA) ;
- IAVIZARA Rasolonjatovo Franck Julson (Général de Brigade) ;
- Rajaonarison Chali Hyancinthe (Administrateur Civil) ;
- Ralevason Hary Tiana (Administrateur Civil de Classe Exceptionnelle) ;
- Ranady Alson Georges (Administrateur Civil) ;
- Rakotoniaina Lova (Chargé de mission auprès du Ministère de l’Enseignement Supérieur) ;
- Felice Adolphe (Ex-Commissaire électoral national) ;
- Randriambeloson Angelo François (Administrateur Civil) ;
- Randriamitovo Edmond (Administrateur Civil) ;
- Ranivoarison Jemison (Gestionnaire de Projets) ;
- Antilahy Herimpitia Esthelle Rolande (Consultante indépendante) ;
- Razafindrakoto Hasina Niombonana (Magistrat) ;
- Andrianambinina Daniela Fidimalala (Vérificateur auprès du Ministère des Finances) ;
- Rasolo Nandrasana Georges Merlin (Magistrat de 2ème Grade, 3ème échelon, Ex-Directeur du Cabinet civil du Premier Ministre).

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.