Toamasina: Nomena lanja hatrany ny fifampiresahana sy fanentanana, arahina fepetra fampiharana

  • jeudi, 04 juin 2020 19:17
  • Tigre
  • Sary nomena

Taorian'ny savorovoro omaly alarobia 03 Jona, dia nisy androany Alakamisy ny fifanatonana narahina fanambarana:

- Ny maraina, ny mpikambana amin’ny Comité stratégique notarihin’ny Goverinora sy ny Préfet, dia nanao « point de presse » ka nitondran’izy ireo fanazavana mikasika ny zava-nitranga, ary koa fanentanana ny tsirairay mba hanaraka ny toro-marika sy fitsipika.
- Ny folakandro dia ireo Sojabe avy amin’ny ANDRIAMBO, ikambanan’ny foko 22 no nampiantso mpanao gazety: nanao fanentanana sy fananarana ny mponin’i Toamasina izy ireo, indrindra fa ny tanora mihantsy ady amin’ny mpitandro filaminana ; sady nanameloka ny korontana, no niantso fitoniana ka tsy hanaiky fikasan’ny andian’olona hamadika resaka politika izao olana ara-pahasalamana sy ara-tsosialy izao. Nanao antso avo tamin’ny mpitandro filaminana rehetra tsy an-kanavaka koa izy ireo.

Nolazain’ireo Ray aman-dReny, na ara-drazana na ara-panjakana, fa ny Covid-19 sy ny olana aterany ihany no fahavalo iombonan’i Toamasina sy Madagasikara iray manontolo, ka nanentana ny rehetra ho tony sy anaraka ireo fepetra ara-pahasalamana rehetra izy ireo.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.