Antenimieram-pirenena: Mbola eo ampikabariana Razanamahasoa Christine no maty ny jiro

  • mardi, 15 octobre 2019 14:09
  • Zakaria
  • Sary FES Madagascar

Delestazy ; io no vahiny tonga tsy nasaina nandritra ny fanokafana ny fivoriana ara-potoana faharoa ny Antenimieram-pirenena tamin’ity talata 15 oktobra 2019, talata fahatelo amin’ny volana oktobra natokana handinihana sy handaniana ny tetibolam-panjakana.

Mbola teo ampikabariana, soa fa efa hamarana, indrindra ny filohan’ny Antenimieram-pirenena Razanamahasoa Christine no tapaka ny jiro. Nihoraka ny iray trano, raikitra ny « Joyeux anniversaire ». Jiro amin’ny « caméra » na fakana rakin-tsary an’ny mpanao gazety no nanazana ny taratasy novakiany.

Nanamafy ny hampiharana ny voarakitry ny fitsipika anaty vaovao ny Antenimieram-pirenena Razanamahasoa Christine, teo ihany koa ny fahanamafisana ny fahaizamanao sy fisokafana amin’ny mpiara-miombona antoka hanatsarana ny asan’ny Antenimieram-pirenena.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.