14 oktobra: 61 taona ny nanambarana ofisialy ny niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara

  • lundi, 14 octobre 2019 09:29
  • Zakaria
  • Sary nindramina

14 oktobra 1958 – 14 oktobra 2019: feno 61 taona katroka izao ny nanambarana tamin’ny fomba ofisialy ny niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara, taorian’ny fitsapan-kevibahoaka natao ny 28 septambra 1958 hamantarana ny safidin’ny Malagasy, ka nandresen’ny « ENY » tamin’ny voka-pifidianana 77% izay midika fa miditra amin’ny fahaleovan-tenany kanefa mijanona miaraka amin’ny Frantsay hatrany ny Malagasy.

14 oktobra 1958 no nambara tamin’ny fomba ofisialy, tao amin’ny lycée Galliéni Andohalo amin’izao fotoana, fa firenena mahaleotena i Madagasikara. Natao fetim-pirenena malagasy ny 14 oktobra, ary mbola misy faritra mankalaza io daty io mandraka ankehitriny.

Nanomboka teo dia rafi-pitondrana repoblikana no tapaka fa hajoro eto Madagasikara, ary tsy manan-kery eto intsony ny rafitry ny fanjanahantany.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.