Ratiharison Jean Navandahy: Nahazo LP, nivoaka ny fonjan’i Tsiafahy

  • mercredi, 09 octobre 2019 13:49
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Nahazo fahafahana vonjimaika (LP), ary dia nivoaka ny fonjaben’i Tsiafahy, nitazomana azy nanomboka tamin’ny 31 mey 2019, Ratiharison Jean Navandahy, filoha nasionalin'ny fikambanana Za Gasy, sady kandida tamin'ny fifidianana solombavam-bahoaka tamin’ny 27 mey 2019.

Nampidirina am-ponja vonjimaika tao Tsiafahy. Izay no didy savaranonando nivoaka, taorian'ny nanoloran'ny Zandary tamin'ny Fampanoavana teo anivon'ny Fitsarana ambaratonga voalohany Antananarivo ny filoha nasionalin'ny fikambanana Za Gasy, sady kandida tamin'ny fifidianana Depiote farany teo, Ratiharison Jean Navandahy.

Ny marainan'ny talata 28 mey 2019 no nisamboran'ny Zandary azy taorian'ny fitoriana nataon'ny fianakavian'ilay tovolahy naratra mafy vokatry ny herisetra natao andian’olona raha avy nifidy teny Ambohipotsy ny 27 mey 2019 ilay tovolahy, ary notsaboina tao amin'ny HJRA Ampefiloha.

Tsy nahatsiaro tena ilay tovolahy tonga tao amin'ny hopitaly vokatry ny dona sy fahavoazana mafy tamin'ny loha. Nodimandry ny alakamisy 30 mey 2019 io tovolahy io.

Voarohirohy tamin’io raharaha io Ratiharison Jean Navandahy. Vono olona niniana natao no anisany vesatra nitarika ny fitanana am-ponja vonjimaika azy niampy olona roa hafa mpiradia aminy.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.