Prezidansa: Lasa vehivavy, misolo vehivavy ?

  • dimanche, 22 septembre 2019 19:00
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Nivoaka an-gazety tamin’ity herinandro ity fa dia hiova andraikitra i Stéphanie Delmotte, ka tsy ho Talen’ny kabinetra sivily ao amin’ny fiadidiana ny Repoblika intsony. Mbola niatrika filankevitry ny minisitra anefa izy tamin’ny alarobia teo.

Mandeha ny feo fa vehivavy no mety hasolo azy. Ranoromaro Hasinirina Lova na Lova Bordès araka ny fiantson’ireo maro azy teo amin'ny sehatry ny fifandraisan-davitra, no anarana miverimberina voalaza fa handray io andraikitra Talen’ny kabinetra eo anivon’ny Prezidansa io.

Tsy mbola misy anefa aloha hatreto fanamafisana ofisialy fanao amin’ny fanesorana na fanendrena olona hitana andraiki-panjakana ambony, mikasika izany voarain’ny mpanao gazety.

 

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.