Betania Toliara

  • dimanche, 02 août 2015 19:02

Torana an-dalana avy nifidy, nodimandry io maraina io ilay lahiantitra

Namoy ny ainy ny maraina teo ilay raim-pianakaviana 60 taona, torana niakarapoka teny an-dalana, rehefa avy nifidy ny atoandron’ny zoma 31 jolay teo, tao Betania Toliara. Tsy fantatra mazava na vokatry ny aretina androbe nitaiza azy hatry ny ela na antony hafa no nahasafotra azy teny an-dalana, hoy ny finakaviany. Tamin’ny fotoana nahitan’ny manodidina azy taorian’ny fianjerany dia nivoa-drà ny lohany sady nahitana farora-bava fotsy teo amin’ny vavany.

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.