Ambatondrazaka : Misy mandrahona ho faty ireo kandidan’ny Alaotra Miray Hina

  • lundi, 27 juillet 2015 14:07
  • Photo: Sobika Ambatondrazaka

Velon-taraina amin’ny fihetsika asehon’ireo kandida sasany ny fikambanana Alaotra Miray Hina. “Tsy fampielezan-kevitra intsony no atao fa fihantsiana sy fandrahonana ho faty”, hoy ny Solombavam-bahoaka Andriamasimanana Auréline. Lasibatra amin’izany ny kandidan’ny Alaotra Miray Hina any amin’ny Kaominina Andilana Avaratra sy Ambatondrazaka ary ireo any amin’ny Kaominina ambanivohitra.

Misy amin’ireo kandida any amin’ny Distrikan’Amparafaravola koa no mahazo fandrahonana famin-dratoerana. Tokony handray ny andraikiny ny CENI-T hoy ny depiote Auréline amin’ireo karazana tsy fanarahan-dalàna ataon’ny kandida sasany ireo.

Miezaka mampitony ireo kandidany sy ny mpiara-dia aminy hatrany ny depiote Auréline manoloana ireo tranga rehetra ireo.

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.