Toliara : Saribao 4 000 gony saika haondrana any shina sarona

  • dimanche, 26 juillet 2015 22:13

Saribao miisa 4000 gony saika haondrana an-tsokotsoko any Shina no tra-tehaky ny zandary tao amin’ny seranan-tsambon’i Toliara. Tanan-kavanana solombavambahoaka iray voafidy any an-toerana no tompony ary milaza ho nahazo taratasy fahazahoan-dalàna hanondrana saribao mankany ivelany avy amin’ny minisiteran’ny tontolo iainana sy ny ala ny tenany, na dia voararan’ny lalàna aza izany.

Noho ny fanondranana saribao an-tsokotsoko dia nidangana ny vidin’ny saribao fandrehitra ao Toliara ary sarotra hita. Efa misy tompon’andraikitra sy mpiasa ao amin’ny minisiteran’ny tontolo iainana sy ny ala arahi-maso amin’ity bizina ity.

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.