Toliara : Zazakely napetra-dreniny tao ambany fiara mpanao propagandy

  • dimanche, 26 juillet 2015 18:43

Taitra ireto andian-jatovo ka nihoraka nahita zazakely iray sahabo ho iray taona sy tapany eo, nigogogogo nitomany nisy nametraka tao ambany kamiao nitondra mpanao propagandy, ny sabotsy tolakandro, tany Toliara.

Nitangorona ny olona samy variana nahita izany ary nierikerika nijery izay reniny, nefa tsy nahita. Nahoraka avy hatrany fa nariana io zazalahikely io, napetraka tsy lavitra loatra ny kodiarana aoriana. Nobataina ilay zaza saika hoentina tany amin’ny fokontany no nisy ramatoa efa mamo nipoitra avy tany amin’ireo olona marobe nijery fampielezan-kevitra nivazavaza sy niteny ratsy ary nilaza fa renin’ilay zaza. Tezitra tamin’ny fihetsiny ny olona vory teo, ka saika niharan’ny hatezeram-bahoaka ity ramatoa. Rehefa nohamarinina dia zanany tokoa ilay zaza.

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.