Trangam-piainana : Avy namonjy propagandy dia maty

  • jeudi, 23 juillet 2015 21:34

Raim-pianakaviana iray 37 taona, efa nisara-bady manan-janaka telo, no matin’ny toaka be loatra nosotroiny androany maraina tao Toliara. Raha ny fanazavan’ny fianakaviany dia mamo tampina ity lehilahy namoy ny ainy ity niditra ny trano, rehefa avy namonjy fampielezan-kevitra. Dia samy natory ny alina.

Akory ny hatairana raha naraina ny andro, fa nofohazin’ny havany izy nefa tsy namaly. Nosokafana ny tranony, izy niankohoka sady tsy nisy aina intsony novantanina.

Nanamafy ny havany fa tsy namono tena araka ny resaka mandeha noho ny famoizam-po ity lehilahy ity. Voalaza mantsy fa tsy nisakafo tao amin’ny reniny toy ny isan’andro izy, fa avy hatrany dia nandeha natory ity namoy ny ainy.

Commentaire (1)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.