Betania Toliara : Tranona mamanontena nisy nandoro

  • jeudi, 23 juillet 2015 21:13

Tranona ramatoa iray maty vady ao Betania Toliara no nisy nandoro halina, ka may kila forehitry ny afo lasa lavenona tsy nisy noraisina ny entany rehetra mitentina an-tapitrisany maro. Ny zanany izay mifanila trano aminy ihany no nanaitra azy tamin’ny torimasony, nivoaka raha nandre fofon-tsetroka. Hagagana ny an’ilay ramatoa mbola rendreman’ny torimaso raha vao nivoaka ny tranony nahita filedaledan’ny afo, ka niantso vonjy. Efitra telo tao an-trano misy entana sarobidy no tena levon’ny afo.

Efa misy olona ahiahiana nanao ny ankasomparana, hoy ny niharam-boina. Misokatra ny fanadihadian’ny mpitandro filaminana.

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.