Andry Rajoelina: « Amin’ny 4 aprily no ahafahana mandrefy ny fifehezana an’ity coronavirus ity »

  • mercredi, 25 mars 2020 20:12
  • Sary nindramina

Nahomby ny paikady napetraka hatreto nifehezana an’ity valanaretina ity, hoy ny filoha Andry Rajoelina ny hariva teo, niainga avy eny amin’ny foibem-pibaikoana momba ny coronavirus eny Ivato, raha namintina ny fivoaran’ity valanaretina ity, ka tsy nahitana tranga vaovao hatry ny omaly talata mitatao vovonana ka hatramin’ny 8 ora hariva, tamin’ireo fitiliana natao, fa nijanona ho 19 ireo mitondra ny tsimokaretina coronavirus, ary efa raisin’ny fanjakana an-tanana manontolo ny fitsaboana azy ireo etsy amin’ny hopitaly manarapenitra Andohatapenaka sy ny amin’ny CHU Anosiala Ambohidtratrimo.

Ny coronavirus no fahavalontsika, hoy ny filoha Andry Rajoelina, ka mila mifarimbona isika handresena izany. Tonga izao alina izao ireo fitaovana samihafa avy any Chine ahitana : « tests rapides », « combinaison », « masques »... Amin’ny 4 aprily 2020 no ahafahana mandrefy ny fifehezana an’ity valanaretina ity, raha ny nambarany hatrany ary averina hatao fitiliana avokoa ireo rehetra avy any ivelany, tonga tamin'ireo sidina farany tonga teto Madagasikara.

Tamin’io fotoana io ihany koa no nanambarany ireo fepetra ara-toekarena, mikasika ny hetra, taorian’ny fifampidinihana tamin’ireo vondrona mpampiasa toy ny SIM, GEFP, FIVMPAMA sy fikambanana samihafa. Ny tanjona hoy izy dia ny tsy hisian’ny fahaverezan’asa na fanaovana « chômage technique » ny mpiasa.

Anisany fepetra noraisina tamin’izany ny fanemorana ny fe-potoana fanaovana fanambarana ara-ketra hatrany amin’ny 15 mey 2020, ny fampihatonana ny fitsirihana ara-ketra, ny fanemorana ny fandoavana latsakemboka amin’ny Cnaps sy Ostie, ny fanemorana ny famerenana trosa amin’ny banky…

Manodidina ny 115 miliara Ariary ny vola tsy ho tafiditra ara-potoana amin’ny kitapombolam-panjakana noho ireo fanapahan-kevitra ireo, raha ny nambaran’ny filoha Andry Rajoelina fa ny zava-dehibe dia ny tsy hisian’ny fahaverezan’asa, hoy izy.

Nanome toromarika ny governemanta ihany koa ny filoham-pirenena ny handoavana (rahampitso) ireo vola « présalaire » an’ireo mpianatra ho mpitsabo nihandrona tsy voaloa. Nohamafisiny ny fampitaovana ireo mpiasan’ny fahasalamana rehetra noho ny anjara toerana sy ny andraikitra lehibe raisin’izy ireo iatrehana ity valanaretina coronavirus ity.

Manampinoana ny filoha Rajoelina fa resintsika io fahavalo iombonana io, ary mbola anentanany ny vahoaka mba hanaraka an-tsakany sy andavany ny toromarika.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.