Antsohihy: Manahy ny fanimbana ny ezaka vitan'ny Tontolon'ny Fonja ny vahoaka

  • vendredi, 14 février 2020 10:02
  • Sary nindramina

Mahagaga ny mponina ny fahenoana feo matetika fa ho esorina amin'ny toerany ny Lehiben'ny Fonja eto Antsohihy. Ambetin-dresaky ny Talem-paritra ny Fandraharahana ny Fonja eto an-toerana andavan'andro moa ny hoe esoriny ny Lehiben'ny Fonja ka mampisavorivory ny olona maro.

Raha tsiahivina dia vao aingana no nanendren'ny fanjakana ity Leben'ny Fonja ity, ary tsy ampy 2 volana taorian'izay dia nisongadina ny zava-bitany, teo ny fanatsarana ny ivelany sy anatin'ny fonja iray manontolo (réhabilitation), ary vita ihany koa ny kianja fanaovana ny fananganan-tsaina na ny terrain de rapport, teo koa ny fampitaovana sy ny fanatsarana ary ny fitsinjarana ny sakafo ho an'ireo misazy.

Izany dia niainga tamin'ny fanampian'ny olona tsara sitrapo, te ahita ny fanajana ny zon'olombelona sy hisian'ny fanamafisana ny fandriampahalemana, izay manana anjara toerana lehibe amin'izany ny fonja. Izay fahavitan'ny asa aingana izay ve no nampisy disadisa tamin'ity Talem-paritra miadidy ny fonja sy ity lehiben'ny Fonja nahita vahaolana izay tsy niankina taminy ity?

Miteraka resabe eto an-toerana moa ity tranga ity satria ny vahoaka izay mahita ny ezaka ataon'ity Lehiben'ny Fonja ity nefa dia ho esoriny.

Ny Solom-bavambahoaka voafidy aty Antsohihy Atoa Rémi Jao Jean sy Rtoa Volahaingo Marie Thérèse voafidy tao Bealanana izay distrika hiasan'ity Fonja Antsohihy dia samy milaza fa ilaina ny fahamarinan-toeran'ny asa fanatsarana ny fonja, izay efa manomboka mivaingana sy hita maso, ka tsy mila potehina ny tsara efa natomboka.

Anisan'ny dingana lehibe ampiandraiketina an'ity Lehiben'ny fonja eto Antsohihy ihany koa ny ady amin'ny kolikoly, satria mila miverina ny fitokisan'ny vahoaka ny fitsarana, mba hialana amin'ny fitsaram-bahoaka izay maro tato anatin'ny faritra Sofia.

Tsy eken'ny vahoaka intsony ny fahenoana fa misahirana ny Polisy sy Zandary manambotra dahalo sy mpangalatra ary mpamono olona, nefa avy eo votsotra hoazy, na misy gadra ahiahian'olona mivoaka mangina ny fonja.

Vao tsy ela akory, samy nahatadidy ny rehetra ilay dahalo tratran'ny fitsaram-bahoaka nisy namono teo alohan'ny vavahadin'ny fonja raha iny andeha aterin'ny Zandary tany ilay mpanao ratsy.

Ity talem-paritra ity moa dia fantatra fa hiala eto Antsohihy satria nangataka hiasa amin'ny toeran-kafa ary efa niasa teto nandritra ny 5 taona, ka izay handimby azy no tokony hanohy ny asa efa tsara natomboka fa tsy ny fametrahana kinamanamana.

Ny Ministera rahateo vaovao ka mino ny rehatra fa hitondra soa amin'ny Tontolon'ny Asa.

Mila Lehiben'ny Sampan-draharaha miasa tsara sy miady amin'ny kolikoly ny tompon'Andraikim-panjakana sy ny vahoaka aty an-toerana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.