Toamasina: Jiolahy mitam-piadiana efatra voasambotra, Polisy iray naratra nandritra ny fifampitifirana

  • mercredi, 12 février 2020 21:40

Enin-dahy mitam-piadiana nanafika mpandraharaha ara-toekarena iray avy any Mananara Avaratra raha nivoaka Shop Orange ity farany.

Nanenjika an’ireo jiolahy eran’ny tanànan’i Toamasina ny Polisy nampian’ny Zandary vantany vao nahazo fanairana. Niditra an-tsehatra ihany koa ny Polisy iray isan’ireo miambina ny Banky Foibe, nitifitra avy hatrany rehefa tsy nety najanona ny jiolahy iray nitondra basy poleta rehefa teo akaiky Gastro Bazar Be. Voatifitry ny zandary teo amin’ny ranjony ilay jiolahy ka lavo ary dia noraisim-potsiny.

Nanakana sy naka ankeriny fiara 4x4 an’olontsotra sendra nandalo ny jiolahy dimy. Notifirin’izy ireo ankitsirano ny mpamilin’ilay fiara ary maty tsy tra-drano. Nisy ny fifampitifirana tamin’ireo jiolahy sy ireo Polisy nanenjika azy ireo. Inspektera Polisy iray naratra voatitra teo amin’ny sorony. Voasambotra ny telo tamin’ireo jiolahy. Tafatsoaka tamina fiara Hyundai i10 miloko manga ny roa. Eo ampikarohana io fiara io ny mpitandro ny filaminana mitambatra ahitana Zandary sy Polisy, nanamafy ny sakana rehetra mivoaka ny tanànan’i Toamasina.

Jiolahy efatra no efa voasambotra, ka avy any Tsihombe, Farafangana ary Vangaindrano no voalaza fa fiavian’izy ireo. Hita tany amin’ilay jiolahy iray voatifitra teo amin’ny ranjony ny firavaka volamena an’ilay mpandraharaha avy any Mananara Avaratra voatafika ary efa naverina.

Manao famotorana azy ireo ny Zandarimaria.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.