Adin’ny mpivady: Maty voatsatok’antsy ramatoa, naratra vaky loha rangahy

  • vendredi, 17 janvier 2020 14:32
  • Sary nindramina

Fifamaliana ara-bola no nitarika ny adin’ireto mpivady tao Ambodifiakarana, Fokontany Vohimary II, Kaominina Manato, Distrikan’i Farafangana.

Raha ny filazan’ilay rangahy dia nifampikasi-tanana izy mivady ka voasambotr’ilay ramatoa vadiny ny (testicules) vihin’ilay rangahy ary nofikiriny tsy namelany. Nandritra izay no nahavoaray antsy ilay rangahy ary notsindrominy teo amin'ny vavafony ilay ramatoa.

Nitsirara tamin'ny tany avy hatrany ramatoa ary nitolefika ihany koa rangahy noho ilay vihy voapotsitra. Mbola nodarohin’ny havan-dramatoa ity farany ka vao maika naratra vaky loha.

Samy nentina namonjy hopitaly be Farafangana izy roa hotsaboina. Tsy tana ny ain’ilay ramatoa noho ny ratra nahazo azy. Notazomin’ny Zandary atao famotorana ilay rangahy vadiny.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.