Hery Rakotomalala: Mitsipaka marindrano ny fanondroana azy ho « mikonokonona korontana » ao amin'ny TVM

  • dimanche, 12 janvier 2020 19:32
  • Sary nindramina

Niparitaka tamin’ny tambazotra serasera facebook androany fa « mikonokonona korontana i Hery Rakotomalala sy Bertrand Ranaivomanana ao amin'ny TVM ao », ary « mandefa ny SMS fitarihana ny mpiasa hiaraka hikorontana aminy ». Mbola miampy fa « terena ny mpiasan'ny ORTM hanao akanjo mainty dia hanao fihetsiketsehana rahampitso alatsinainy fa tsy manaiky ny tsy fanavaozana ny contrat ECD an'ireo mpiasa sasany ».

Mitsipaka marindrano izany i Hery Rakotomalala, iray amin’ireo mpanao gazety voatonona tao amin’io resaka naely io, ka nanao fanambarana tao amin’ny pejiny facebook milaza fa « Izaho Hery Rakotomalala, mpanao gazety eto amin'ny TVM foibe Anosy, dia manambara amin'ny fomba ofisialy fa tsy mihevitra ary tsy manana eritreritra hanakorontana ny Haino aman-jerim-panjakana. Fanosoram-potaka, fanaratsiana tsotra izao izany ary fankahalàna manokana. Tsy lalan-tsaiko hatramin'izay izany, noho ny foto-kevitra manaja ny sata repoblikana ananako. Manaja sy manaiky ny mpitondra ny firenena aho. Noho izany disoiko tanteraka io fanelezana vaovao tsy marina momba ahy sy ny mpiara-miasa amiko io ».

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.