Fanaovana « permis biométrique »: Notapahin’ny mpiara-miombon’antoka sahady ?

  • lundi, 02 décembre 2019 21:33
  • Tahirin-tsary nindramina

Miato sahady indray ny fanaovana biometrika ny fahazoan-dalana hanamory fiara sy taratasin’ny fiara. Tamin’iny herinandro iny dia hagagana ny an’ireo sekoly mampianatra fanamoriana fiarakodia rehefa tonga tao amin’ny Faritrany fa nahemotra hatrany amin’ny volana Janoary 2020 ny famoahana ny taratasy fahazoan-dalana hamily fiarakodia.

Raha ny fanazavana nomena azy ireo dia misy olana ny fitaovana ka tsy afaka na dia haka sary akory aza ireo mpianatra marobe, izay taterina avy eto Antsirabe ho any Antananarivo rehefa Talata sy Alakamisy. Efa nisy ny peta-drindrina niandry azy ireo sy nanondro ny daty tokony hiverenany arakaraky ny “rendez-vous”, efa nomena azy ireo taloha.

Ireo nomena fotoana ny 18 novambra dia nasaina niverina ny 25 novambra saingy tsy voaray ihany fa mbola nahemotra ho amin’ny fotoana manaraka indray ; dia toy izany avokoa ny daty rehetra.

Ny talata 26 novambra dia efa naato ny fakana sary tao amin’ny CIM (Centre Immatriculateur de Madagascar) Ambohidahy-Antananarivo noho izay olana izay, ary fantatra ihany koa fa voakasiky ity fiatoana ity ihany koa ny taratasin’ny fiarakodia.

Nambaran’ireo sekoly mampianatra mamily fiara fa tsy nampandrenesina nialoha izy ireo ka nidirana fatiantoka goavana ny fitondrana ireo mpianatra saika entina haka sary tany Antananarivo, izay niverim-potsiny avokoa.

Tamin’ny 24 mey 2019 no nanaovan’ny fitondrana mijoro ankehitriny serasera be fa dia manara-penitra tanteraka manomboka izao ny fanaovana biometrika ny fahazoan-dalana hanamory fiara sy taratasin’ny fiara rehefa nahita mpiara-miombon’antoka vaovao, taorian’ny nanilihana ny CETIS Madagascar, orinasa nisahana ny famoahana io biometrika io nandritra ny telo taona sy tapany.

Mitranga ankehitriny ny olana : ara-pitaovana tokoa sa resa-bola tsy voaloa no antony ?

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.