Famatsiana rano: Mitaraina ny mponin’i Faravohitra sy Ambatomaro
- lundi, 02 décembre 2019 21:27
- Sary Gasypatriote
Rahoviana ihany ! Mahatsiaro voafitaka ny mponina eny Faravohitra, Boriborintany voalohany Antananarivo Renivohitra, raha nampanantenaina rano amin’ny paompy, taorian’ny nambaran’ny Jirama fa nisy fanamboarana ny fitaovana fitsinjarana rano teny Andohalo mba hahazoan’ny mponina eny Faravohitra sy ny manodidina rano, nefa tsy izay no mitranga. Rano mampiahiahy, hoy ny olona, no tonga eny amin’ireo sinibe manga natao vahaolana vonjimaika hamatsiana rano ny mponina.
Sasa-miandry ny rano avy eny Amoron’Ankona nampanantenaina ho avy hatramin’ny 11 septambra 2019 indray ny mponin’Ambatomaro, Boriborintany fahadimy Antananarivo Renivohitra. Efa andro maromaro no tsy misitraka rano ny ankamaroan’ny mponina amin’iny faritra iny, mahatsiaro ho atao fahirano.
(Jereo Sary Tohiny)
Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
http://gasypatriote.com/vaovao/item/21486-famatsiana-rano-mitaraina-ny-mponin%E2%80%99i-faravohitra-sy-ambatomaro.html#sigProGalleria6d300188cb
Laissez un commentaire
Le code HTML n'est pas autorisé.