Antazoa-Malaimbandy: Trano 85 kilan’ny afo vokatry ny doro tanety

  • lundi, 18 novembre 2019 13:16
  • Sary nomena

Nitrangana haintrano goavana tao Antazoa, Kaominina Malaimbandy, Distrikan’i Mahabo, ny faran’ny herinandro teo. Trano 85 tafo no rava, kilan’ny afo vokatry ny doro tanety. 366 tsy manan-kialofana vokatr’ity haintrano ity.

May hatramin’ny EPP, misy mpianatra 140. Tsy afa-mianatra ireto farany vokatr’io haintrano io, satria may avokoa ny fitaovam-pianaran’ny mpianatra.

Mpamatsy manga an’Antsirabe io tanàna io. Telo kamiao isan'andro ny manga mivoaka ao Antazoa, nefa may avokoa ny ala manga vokatr’ity doro tanety ity.

Tonga tao an-toerana ny solontenam-panjakana nitondra fanampiana ho an'ireo traboina.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.