Fanambana - Vohémar: Sahan-drongony an-tsasaka hekitara nopotehina, olona roa voasambotra

  • dimanche, 17 novembre 2019 09:37
  • Sary Zandarimaria

Saron'ny mpitandro filaminana avy ao amin'ny Tobim-paritry ny Zandarimaria eto Vohémar, tao Andraparany Fokontany Ambakirano, Kaominina Fanambana, ny voly rongony amina velaran-tany mirefy 1/2 ha, ny tolakandron'ny zoma 15 novambra 2019.

Nisy olona roa voasambotra. Nodorana tany an-tsaha teo anatrehan'ny mpitondra sy ny Fokonolona any an-toerana ny ampahany tamin'ireo zava-mahadomelina ireo. Mitohy ny fanadihadiana.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.