Fandriampahalemana: Tsy maintsy mijery ny fomba hiara-miasa amin’ireo firenena manodidina i Madagasikara

  • samedi, 16 novembre 2019 12:11
  • Sary nomena

Nandray anjara tamin’ilay fivoriana andiany faharoa momba ny fandriampahalemana (Forum de Paris sur la Paix), izay natao tao Grande Halle de la Villette ny 11 hatramin’ny 13 novambra lasa teo, ny Praiministra, Lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian.

Seha-pifanakalozana iraisan’ireo firenena manerantany ahafahana mifanakalo ity fivoriam-be ity, ary ikatsahana vahaolana mora ampiasaina sy azo tsapain-tanana, manoloana ny fanamby hamerenana ny fitoniana ankehitriny ; ary izany dia amin’ny alalana fomba fitantanana mifandraika amina fifandraisana maro lafy.

Nandritra io fivoriana io no nanoritsoritan’ny Praiministra ny fomba fijerintsika Malagasy ny amin’ny fametrahana fandriampahalemana eto Madagasikara, araka ny nolazain’ny Filoham-pirenena mikasika ny hametrahana lamina vaovao hiarahana amin’ireo Nosy manodidina an’i Madagasikara aty amin’ny ranomasim-be indianina sy ireo firenena afrikanina akaiky an’i Madagasikara momba izay fandriampahalemana izay.

Mahatratra 7000 hatramin’ny 8000 isan’andro ny sambo mivezivezy amin’ny fari-dranomasina misy an’i Madagasikara ary betsaka ny sedra na ny ambana iainan’ireo firenena manodidina ny ranomasim-be indianina, toy ny fanafihan’ny jiolahin-tsambo sy ny fanondranana an-tsokosoko ny harem-pirenena toy ny andramena.

Nambaran’ny Lehiben’ny governemanta fa ny Malagasy dia tsy maintsy mijery ny fomba hahafahan’i Madagasikara miara-miasa amin’ireo firenena maro manodidina

Tomponandraikim-panjakana samihafa, nahitana Filoham-pirenena, Praiminisitra, minisitra, avy amin’ny kaontinantan’i Afrika, Amerika, Erôpa ary Azia sy solontenan’ny fikambanana iraisam-pirenena samihafa anivon’ny Firenena Mikambana, no nandray anjara tamin’ity fivoriana andiany faharoa natao tany Paris/Frantsa, momba ny fandriampahalemana ity.

Tsiahivina fa tamin’ny volana novambra 2018 ny andiany voalohany tamin’io fihaonam-be io.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.