Vatofotsy – Antsirabe: Lehilahy nitsoraka tao ambany kamiao, maty tsy tra-drano

  • jeudi, 14 novembre 2019 19:30
  • Sary Gasypatriote Antsirabe

Lehilahy iray tokony ho 40 taona no maty nitsoraka tao ambany kamiao, io maraina io, tokony ho tamin'ny 9 ora teo ho eo, teo Vatofotsy Antsirabe. Raha ny nambaran'ireo nahita ny loza dia nandrasan'ilay lehilahy handalo ilay kamiao dia nitsoraka tao ambany izy.

Tsy tsikaritry ilay mpamily izany raha tsy olona no nihorakoraka nanakana azy. Maty tsy tra-drano ilay lehilahy ary tapatapaka avokoa ny ratsambatany.

Tsy mbola fantatra aloha hatreto ny havan'ity lehilahy namono tena ity. Efa tonga nizaha ny razana ny mpitandro filaminana.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.