Asan-jiholahy: Mahita vokatra ny Polisim-pirenena

  • mercredi, 13 novembre 2019 22:36
  • Sary Njaka

Traha-tehaky ny polisy ireo jiolahy miisa enina, izay nanao ny asa ratsiny. Ny iray amin’izy ireo moa no maty voatifitra noho ny fanoherana nataony izay nahatonga ny tifitra.

Nahitana fitaovana mahery vaika moa tamin’izy ireo, izay nisy cartouche-na bala miisa 15, ireto fitaovana ireto moa dia anisan’ny tsy azo ampiasain’ny olona tsotra tazomina satria antsoina hoe Arme de guerre no filaza azy.

Anisan’ny nanao ny fanafihana teny amin’ny orin’asa Djama itaosy, Antohomadinika, teny amin’ny 67ha nanafika ny mpiasan’ny JB.

Ireto jiolahy ireto ihany no nahavanon-doza tetsy amin’ny tetezan’ny bekiraro andro vitsy izay.

Nambara fa ekipan’i Gorille moa ireto jiolahy ireto, izay jiolahy tena hikohizana tokoa, satria tafiditra ao anatin’ny bande des 10.
Nilatsaka nanao opération ny mpitandro ny filaminana omaly alina ka sarona tamin’izany ireo jiolahy ireo, izay manodidina ny 20 ka hatramin’ny 35 taona eo ho eo, mbola misy ny karohina amin’ireo mpanao ratsy hatreto.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.