Brezila: Nivoaka ny fonja ny filoha teo aloha Lula da Silva

  • samedi, 09 novembre 2019 14:14
  • Sary nindramina Net

Nahazo fahafahana i Luiz Inacio Lula da Silva rehefa notazomina am-ponja nandritra ny 580 andro. Voampanga ho nanao kolikoly sy fanadiovam-bola izy ary nomelohin’ny fitsarana higadra valo taona sy folo volana sazy mihatra.

Niaro tena, nanohitra hatrany ny fiampangana sy fanamelohana azy i Lula. Mpitsara enina no nanaiky ny hanafahana azy, dimy kosa nandà nandritra ny fitsarana omaly. Omaly zoma 8 novambra, hariva ihany dia efa nivoaka ny fonjan’i Curitiba nitazomana azy i Lula da Silva.

Filohan’i Brezila teo anelanelan’ny 1 janoary 2003 ka hatramin'ny 1 janoary 2011 i Lula. 74 taona izy ankehitriny.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.