Mariarano - Mahajanga II: Mirongatra ny haromontana

  • jeudi, 07 novembre 2019 22:38

Hatramin'ity androany ity dia olona 3 no namoy ny ainy noho ny kaikitry ny alika romotra tao anatin'ny Kaominina Mariarano.

Nidina any an-toerana ny ekipan'ny sampandraharaham-paritry ny fambolena, ny fiompiana ary ny jono, nanao hetsika famonoana alika faobe, saingy vao Fonkontany vitsy monja aloha no nahavitana ny hetsika.

Sakana ny fomban-drazana, fady amin'ny Fonkontany sasany ao anaty Kaominina ny mamono sy mandevina alika.

Niparitaka ihany koa ny feo fa tsy alika no nanaikitra ireo olona namoy ny ainy ireo fa biby hafa mihitsy, izay tsy voafaritra mazava.
Mbola maro ireo tokantrano miompy ireo karazana ragidro, ny ragidro izay biby mety romotra sady mamindra haromontana ihany koa.

Mbola ao anatin'ny fifampiraharahana amin'ireo mponina any an-toerana izay mbola mitandro ny fomban-drazana ny tompon'andraikitra any an- toerana hifehezana ny fimparitahan'ny valan'aretina.

Vonona ny amin'izay fombofomba rehetra hanalana ny fady ny talem-paritry ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono eto Boeny raha manaiky hanatanteraka izany ny mponina hitsinjovana ny fahasalamam-bahoaka.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.