Antoko MONIMA: « Tsy vitan’ny fanjakana ny niaro ny aina sy ny fananan’ny olom-pirenena »

  • vendredi, 01 novembre 2019 19:01
  • Sary nindramina

Nanao fanambarana momba ny fanafihan-dahalo nitranga tao Beakanga, Kaominina Marotsiraka, Distrikan'Amboasary Atsimo tamin’ny alakamisy 24 oktobra 2019 teo ny antoko MONIMA.

Omby 70 eo ho eo no voaroban’ny dahalo ; niantso vonjy tamin’ny mpitandro filaminana ireo voaroba fa tsy nisy akony. Raikitra ny fifanjevoana sy ny fifandonana teo amin’ny tompon’omby sy ireo nandroba. Olona maherin’ny 30 no maty avy amin’ny andaniny sy ankilany, hoy ny fanambarana.

Nahitsy ny tenin’ny MONIMA milaza fa « tsy vitan’ny fanjakana ny niaro ny aina sy ny fananan’ny olom-pirenena, raha ity tranga ity no jerena ».

Manipika ny MONIMA fa nangina avokoa ny gazety sy ny haino aman-jery eto an-toerana, na miankina na tsy miankina amin’ny Fanjakana. Nangina toy izany koa ny firaisamonim-pirenena, tsy niloa-peo ny Fiombonambe Iraisam-pirenena teo anoloan’io loza mampihoronkoditra io.

Manao fanairana ny mpitondra fanjakana ny MONIMA hampitomboany ny ezaka, hampandry fahalemana ny firenentsika manontolo.

Fifandrifian-javatra sa inona, fa isaky ny avy misy fanendrena ambasadaoro ataon’ny fanjakana, dia mamoaka fanambarana momba ny tsy fandriampahalemana hatrany ny antokon'ny praiminisitra voalohany tamin'ny Fahefana avon'ny tetezamita, Monja Roindefo.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.